Fivoriam-be ny “OIT” : hojerena manokana ny fametrahana ny rariny ara-tsosialy

  • 14 juin 2023
Mandray anjara amin’ny Fihaonana an-tampony faha-111 an’ireo firenena mivondrona ao amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Asa (OIT) i Madagasikara amin’ny alalan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Notanterahana tao amin’ny Palais des Nations androany ny lanonam-panokafana.
Anisan’ny teboka lehibe indrindra hodinihina mandritra ny fihaonana ny fametrahana ny rariny ara-tsosialy na ny “Justice sociale” eo amin’ny tontolon’ny asa. Zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny fandraisana anjara amin’ity fihaonana lehibe ity.
Anisan’ny laharam-pahamehana nimasoan’ny Fitondram-panjakana tao anatin’ny efatra taona mahery ny fanatsarana izay tontolon’ny asa izay, fa indrindra ny fanatsarana ny tombontsoan’ireo mpiasa maro manerana ny Nosy.
Dingana maro no vitan’i Madagasikara mikasika ny sehatry ny asa. Tafiditra amin’izany ny fanaovan-tsonia ireo lalàna maro sy ny fanovana ny lalàna mifehy ny asa izay efa miandry ny fankatoavan’ny Governemanta ankehitriny.
Ahitana ny mpisehatra amin’ny asa maro ny delegasionina dia ny solon-tenan’ny GEM izay misolo tena ireo mpampiasa, ny solon-tenan’ny mpiasa izay soloin’ny FISEMARE tena ary ny Minisitry ny Asa, ny Fampananana asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna sosialy
Partagez :
Mahandry