Fivarotana laza adina BEPC hosoka : Olona 4 no  voasambotra

  • 5 juillet 2023

Olona efatra no tra-tehaky ny tale jeneralin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Komandin’ny Vondron-tobim-paritra Ambohitratrimo, nivarotra laza adina BEPC hosoka  ny 3 jolay teo.

Mpampianatra amina sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana ny roa amin’izy ireo, ary olon-tsotra kosa ny roa ambiny. Novarotan’izy ireo teto amin’ny tambazotran-tserasera sy tamin’ireo Ray aman-drenin’ny mpiadina izany. 50 000 ariary ny laza adina iray, ary maro no efa voafitak’izy ireo.

Rehefa vita ny famatoarana ataon’ny zandarmaria dia hatolotra eo anivoan’ny fampanaovana izy 4, noho ny vesatry ny asa fisolokiana nataony.

 

Partagez :
Carinah Mamilalaina