Fitsarana taona 2023: niakatra ny tahan’ireo olona voatsara

  • 5 février 2024

Nitombo avo roa heny ny asa vita teo anivon’ny Fitsarana ny taona 2023 raha oharina tamin’ny taona 2022 araka ny voalazan’ny minisitry ny Fitsarana, Mpitahiry ny Tombon-kasem-panjakana, Landy Randriamanantenasoa. Tafiakatra 52 isan-jato ny tahan’ireo voafonja voatsara araka ny tatitra nataon’ny mpampanoa ambony ao amin’ny Fitsarana tampony. Nahomby araka izany ny politika napetraky ny minisitera izay nampiharina manerana an’I Madagasikara indrindra ny teto Antanananarivo. Mbola misy ny ezaka ho atao hanatrarana ny fenitra iraisam-pirenena izay 70 isan-jato.

Didim-pitsarana miisa 226 666 no tafavoaka tamin’ny taom-pitsarana 2023, raha mpitsara miisa 685 no nisahana izany. Vitsy ny isan’ny mpitsara raha oharina amin’ny raharaha miditra. Vina amin’ny taona 2024 ny hanatsarana ny fomba fiasa mba hitondra fampandrosoana ho an’ny vahoaka Malagasy, mba ho fitsarana atokisan’ny vahoaka, ary manakaiky vahoaka, izay hiasa ao anaty hafainganana.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany teo amin’ny Fitsarana Tampony Anosy ny taom-pitsarana 2024. Lanonam-pitsarana manetriketrika izay notarihan’ny Filoha Voalohany sy ny lehiben’ny Fampanoavana eo anivon’ny Fitsarana Tampony. Nanotrona ny fotoam-pitsarana ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta niaraka tamin’ireo mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta ary ireo lehiben’ny andrim-panjakana isan-tokony.

Partagez :
Natacha Hasimbola