Fitsarana mitety vohitra : “asan’ny mpitsara io, fa tsy misy ambadika politika, hoy ny ministra François Rakotozafy “

  • 6 octobre 2022

Tsy terena ny olom-pirenena sy ny mpitsara mbamin’ny mpiraki-draharaha amin’ny fanatanterahana ny Fitsarana mitety vohitra, anomezana sora-pahaterahana sy karapanondrom-pirenena maimaimpoana ho an’ny olona mbola tsy manan azany”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Rakotozafy François androany 06 oktobra. Tafiditra anatin’ny asan’ny mpitsara io, hoy izy, fa tsy zava-baovao akory.

Tsy misy ambadika politika ny fanatanterahana azy na dia mifanadrify amin’ny fotoana anavaozana ny lisitry ny mpifidy aza. Fitsinjovana ny olona tsy manana kopia sy karapanondro izay fototra maha olom-pirenena azy no antony anatovan’ny fitondram-panjakana io ezaka io. “Mampalahelo ny mahita Malagasy an-tapitrisany tsy afaka misitraka ny zo fototra maha olombelona azy. Tsy ny fidirana anaty lisi-pifidianana ihany no ilana kopia fa na ny fianarana, fitadiavana asa, fakana vola amin’ny banky, fakana fahazoan-dalana hamily sy ny maro hafa dia liana karapanodro avokoa”, hoy ny minisitra.

Manodidina ny 3 tapitrisa ny olom-pirenena feno taona mbola tsy manana karapanondrom-pirenena eto Madagasikara, izay kasaina hahazo sora-pahaterahana sy karapanondro amin’ity Fitsarana mitety vohitra ity. Ezaka lehibe no ataon’ny Fitondram-panjakana mba hamporisihana azy ireo ny zo fototra sy fisian aara-dalàna, hoy ny minisitra François Rakotozafy.

 

Partagez :
Mahandry