Fitsaboana maimaimpona ho an’ny boriboritany faharoa

  • 21 décembre 2023

Mbola maro ireo olona matahotra manantona toeram-pitsaboana nefa miaina anaty aretina lalina, misy anefa ireo tena mila fizahana avy amina manam-pahaizana manokana saingy tsy manana fahafaha-mividy. Ho fanampiana azy ireo dia misokatra androany ny hetsika fitsaboana maimaimpoana ao amin’ny boriborintany faharoa ao amin’ny EPP Mandroseza izay haharitra 2 andro ary hihitatra 3 andro miankina amin’ny fahabetsahan’ny olona.

Mpitsabo avy ao amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena no miara-misalahy amin’ny solombavam-bahoaka voafidy teny an-toerana, Lanto Rakotomanga, amin’ny fanatanterahana izany. Saika hita ao an-toerana ireo karazana mpitsabo: “cardiologue”, ORL, “pédiatre” sy ny maro hafa. Maimaimpoana avokoa na ny fitsaboana na ny fanafody. Tanjona ny hahafahan’ireo vahoaka Malagasy miatrika ny fety anaty fahasalamana tanteraka.

Hita nandritra ny tapany maraina fa misy ny zaza mila atao fandidiana tsotsotra na “petite chirurgie” dia ho tanterahan’ireo mpitsabo ao an-toerana ihany. Ao koa ireo olona manana aretin’ny fo izay mila fandidiana any ivelany izay hitadiavana vahaolana. Manodidina ny 1000 isan’andro ny olona andrasana araka ny nambaran’ny solombavam-bahoaka, mety hihoatra an’izay anefa.

Partagez :
Natacha Hasimbola