Fitokanana ny foibe iraisam-piadiana ho fandrindrana eo anivon’ny Etamazaoron’ny Tafika malagasy etsy Andohalo na ny COIA.

  • 27 janvier 2023

 

Tontosa androany maraina ny fitokanana ny foibe iraisam-piadiana ho fandrindrana eo anivon’ny Etamazaoron’ny Tafika malagasy etsy Andohalo na ny COIA (Centre des opérations interarmées) nasiam-panavaozana izay natrehin’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian.

Taonan’ny fitohizana amin’ny fanamafisana ny filaminana ity taona ity, ary koa taonan’ny fifidianana ka zava-dehibe ny hisian’ny fitoniana sy filaminan-tsaina eo anivon’ny mpitandro ny filaminana mba hisian’ny fandriam-pahalemana. Hita koa fa miakatra be ny ambana maro, toy ny resaka ady izay miseho maneran-tany. Tsy maintsy dinihina ny mahakasika izany satria tsy afaka ny hitoka-monina i Madagasikara, raha ny nambarany

Ilaina ny foibe fandrindrana toy itony indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny fahavaratra izao, ho fanampiana ny mpiara-belona na amin’ny lafiny famidrana azy amin’ireny ivon-toerana fandraisana an-tanana vonjimaika ireny, na fiambenana ihany koa ny tanàna izay nilaozany.

Sehatra maro no hiasan’ireo miaramila eo anivon’ny COIA, misy ireo miandraikitra ny fisafoana, mampandry fahalemana eny anivon’ny fiarahamonina sy any amin’ny faritra be dahalo ary misy ireo miara-miasa amin’ireo sampan-draharaha samihafa toy ny BNGRC mandritra ny vanim-potoanan’ny fandalovan’ny rivodoza sy ny ambana samihafa mandalo eo amin’ny firenena.

 

Partagez :
Mahandry