Fitokanana ny fiangonana katolika « Notre Dame de l’Assomption » tao Ambodifotatra, Sainte Marie

  • 15 juillet 2023

Androany 15 jolay no notontosaina ny fitokana ny fiangonana katolika Notre Dame de l’Assomption rehefa avy nanaovana asa fanavaozana. Tonga nanatrika izany  fitokanana izany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina .

Raha araka ny tantara, ity toerana ity dia toerana manan-danja manokana  noho izy fiangonana katolika voalohany naorina tamina akora mafy (construction en dure)  teto Madagasikara ; saingy  noho ny fandalovan’ny rivodoza Honorine sy Yvan sy ny tsy nisian’ny fanamboarana efa ela, dia nandalo fahasimbana goavana ny toerana ary nahiana hitera-doza ho an’ireo mpino kristianina nivavaka tato.

Ny taona 2019 ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina no efa nanapa-kevitra ny hanarina ity fiangonana eto Ambodifotatra ity amin’ny  maha harem-bako-pirenena azy (Patrimoine National) nanomboka ny taona 1983. Ary  efa miroso  koa ankehitriny ny dingana hampidirana azy ho harem-bakoka maneran-tany eo anivon’ny UNESCO hanampy ireo roa izay efa hananantsika dia ny vohitr’Ambohimanga sy ny Tsingin’i Bemaraha.

Ny fanarenana ny fotodrafitrasa manan-tantara tahaka ity dia tafiditra ao anatin’ny fanamby napetraky ny Fitondram-panjakana amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany indrindra fa eto amin’ny nosy Sainte Marie. Nanantitra ny fankaherezana ireo pretra sy relijiozy  koa ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny fanoloran-tenan’izy ireo amin’ny fitaizana ny mpiara-belona hahitsy sy hihaina anaty ny finoana sy ny ara-panahy. Natolotry ny Filoha nandritra io fotoana io ihany koa ny fitaovana fanamafisam-peo izay ho ampiasain’ity fiangonana ity mandritra ireo fotoam-pivavahana ao an-toerana

Partagez :
Mahandry