Fitokanana ny birao Fitaleovam-paritry ny Filaminam-bahoaka eto Toamasina

  • 7 mars 2024

Nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika tao amin’ny Filan-kevitry ny ministra omaly fa ankoatra ny asa andavan’andron’ny ministera tsirairay sy ny hetsika 100 andro dia tokony hanao foto-drafitrasa goavana mipaka amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny vahoaka. Tafiditra indrindra ao anatin’ny andry telo izay zotra hitondrana ny hampandrosoana ny firenena.

Fanantanterahana izany avy hatrany dia notokanana androany ny birao ny Fitaleovam-paritry ny Filaminam-bahoaka eto Tanamakoa Toamasina  izay ministera tena miahy akaiky ary andry iakinana’ny fiainan’ny vahoaka Malagasy mba hisian’ny filaminana, ny fiarovana ny vahoaka. Tonga nanokatra Izany tamin’ny fomba ofisialy ny filohan’ny Repoblika Malagasy, Andry Nirina Rajoelina notronin’ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta, ny Governoran’ny faritra Antsinanana.

Amin’ny maha tanan-dehibe an’i Toamasina  dia misy ny tranga tsy fahandriampahalemana, saingy ny fisian’izao foto-drafitrasa izao dia manome tosika ny polisy hiadiana amin’izany hoy ny Governoran’ny faritra Antsinanana. Ankoatra ny eto Toamasina, dia efa vita ihany koa ny biraon’ny Fitaleovam-paritry ny Filaminam-bahoaka ao Brickaville ary faha 15 notokanana amin’ireo ireo 22 vita manerana ny Nosy ity eto Toamasina renivohitra ity. Izany dia taratry ny fahombiazan’ny asan’ny fitondram-panjakana amin’ny hanatsarana ny fiainan’ny vahoaka Malagasy.

« Tena ilain’ny vahoakan’Toamasina ny fotodrafitrasa toy izao hiadivana amin’ny tsy fahadriampahalemana toy ny sintomahery, ny vakitrano ny fakana an-keriny fa indrindra ny ady amin’ny fanolalana zaza tsy ampy taona izay nasiany tsindri-peo manokana. Zava -dehibe ny fisian’izao fotodrafitrasa izao hanenjehana ireo nahavanon-doza » hoy ny Filoha tao anatin’ny fandraisam-pitenenana.

Partagez :
Mahandry