Fitaterana : miantso ny hamerenana ny zotra nasionaly mivantana Antananarivo ny mponin’i Soanierana Ivongo sy Vavatenina

  • 30 juin 2023

Miantso ny hanokafana indray ny zotra nasionaly mampitohy an’Antananarivo sy Soanierana Ivongo sy Antananarivo – Vavatenina ny mponina amin’ireto distrika roa ireto. Zotra izay efa nisy koperativa nahazo alalana saingy naato ny 16 jona 2023 teo taorian’ny fitakian’ny mpitatitra amin’ny zotra rezionaly miainga ao Toamasina.

Tsy fantatra ny fe-potoana aharetan’ny fampiatoana. Izany no antony anaovan’ny mponina antso amin’ny tomponandraikitra mahefa, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao Soanierana Ivongo, Ramamonjisoa Rakotonirina Jhon Whary.

Miteraka fahasahiranana ho an’ny mpandeha ny tsy fisian’ny zotra mivantana an-drenivohitra. Lany ny fotoana; misy simba na very ny entana rehefa mifindrafindra fiara; mitaintaina ny mpandeha rehefa tsy mahatratra fiara ao Fenoarivo Atsinanana na Toamasina; mitombo koa ny fandaniana amin’ny saran-dalana sy sakafo noho ny tsy fisian’ny zotra nasionaly.

Ankoatra ny fahalafosan’ny saran-dalana, mampitaraina ny mpandeha koa ny haratsin’ny tolotra sy fomba filasan’ny zotra rezionaly. 20 000 ariary amin’izao ny saran-dalana amin’ny lalana 140km mahery kely mampitohy an’i Toamasina sy Vavatenina; 20 000 ariary toy izany koa ny lalan-tara 162km Toamasina -Soanierana Ivongo.

Partagez :
Romuald