Fisitrahana trano fonenana sosialy : 120 000 ariary isam-bolana mandritry ny 5 taona

  • 5 octobre 2021

Manodidina ny 120 000 ariary isam-bolana no vola harotsaka mandritry ny dimy taona mba hisitrahan’ny olona manana fahefana antonony ny Trano fonenana sosialy, araka ny voalazan’ny Sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana, Gérard Andriamanohisoa.

Misy ihany koa ny trano fonenana afaka hitarina na “logement extensible” izay mirefy 32m2 ka manodidina ny 15 ka hatramin’ny 22 tapitrisa ariary ny vidiny. Ary farany dia misy ihany koa ny “logement de subvention” izay natokana ho an’ny olona tena sahirana.

Trano fonenana sosialy 760 isa no heverina ho vita amin’ity faran’ny taona ity ka ireo tokan-trano voakasiky ny tetikasa Tanà-masoandro no anisan’ny laharam-pahamehana hisitraka izany voalohany. Andrasana arak’izany ny fampafantarana ireo pitsopitsony ara-taratasy ilaina amin’ny mety ho fisitrahana izany trano fonenana izany.

Faritra dimy eto Antananarivo no hananganana ny tetikasa ka efa vita ny fanaovan-tsoniam-piara-miasa amin’ireo ben’ny tanàna amin’ny alalan’ny ” plan communal d’équipements”.

Trano fonenana miisa 50 000 no hatsangana manerana an’i Madagasikara ao anatin’ny dimy taona, tafiditra amin’izany ny tetikasa “Trano fonenana sosialy” miisa 320 ao Imeritsiatosika.

 

Partagez :
Mahandry