Fisian’ny Kolera any Kaomoro sy Mozambika : nandray fepetra fiarovana ny faritra Boeny

  • 4 février 2024

Miato vonjimaika manomboka ny 3 febroary 2024 ny fidiran’ny sambo mpitatitra olona avy atsy Kaomoro mankao amin’ny faritra Boeny. Mahazo mandeha kosa ny sambo mpitatitra entana saingy manaja ny fihibohana mandritra ny 15 andro mandrapahandraisan’ny mpitsabo fepetra. Miato vonjimaika koa ny sidina rehetra avy atsy Mayotte.

Noraisin’ny tomponandraikitra isan-tokony ao amin’ny faritra Boeny io fanapahan-kevitra io ho fiarovana ny fahasalamam-bahoaka , manoloana ny fisian’ny valanaretina “Choléra” izay manomboka miseho any Kaomoro sy Mozambika.

Nohamafisina koa ny fepetra ara-pahasalamana ahafahana misoroka ny aretina. Anisan’izany ny fametrahana kojakoja fanasan-tanana amin’ny seranam-piaramanidina sy ny fandrarahana ranom-panafody amin’ny entana vao tonga.

Partagez :
Romuald