First global challenge : Vonona hiatrika ny fifaninanana izy dimy mianadahy

  • 12 octobre 2022

Efa tonga soa aman-tsara any Suisse androany alarobia 12 oktobra ny delegasiona malagasy handray anjara amin’ny « First global challenge ».

Talohan’ny niaingany dia nahazo ny tso-drano sy fanampiana avy amin’ny Filoham-pirenena Rajoelina Andry ireo Malagasy dimy mianadahy hiatrika ny fifaninana iraisampirenena momba ny Robotika « First global challenge » izay tanterahana any Genève ny 16 oktobra izao. Handeha hifaninana amin’ny tanora avy amin’ny firenena 150, anaty sokajy 15 – 18 taona izy ireo.

Ny loha-hevitra amin’ity taona ity dia mikasika ny fisintomana ny karbaona. Tafiditra ao anatin’izany ny karbaona efa ao anatin’ny atmosfera.

Partagez :
Mahandry