Firehetana teny Ambohidratrimo: tsy voakasika ny Rova

  • 19 octobre 2021
Tsy nahakasika ny Rova ny firehetana teny Ambohidratrimo raha ny vaovao voaray avy amin’ny lehiben’ny sampan-draharaha misahana ny sosialy sy kolontsaina ao amin’ny kaominina Ambohidratrimo ary mbola nohamafisin’ny komandin’ny kompanian’ny zandarimariam-pirenena teny an-toerana koa. Tany ambany avy amin’ny ilany atsimo atsinanana vao miakatra eny anaty Rova no nisy ny firehetana.
Efa voafehy ny afo taorian’ny fahatongavan’ny mpamonjy voina. Nisy koa ny Tagnamaro maika nataon’ny kaominina, ny fokonolona sy ny orinasa MKLEM, izay nanome fiara nitondra rano nahafahana nifehy haingana izany.
Partagez :
Mahandry