Fiparitahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika : mampirongatra ny VIH SIDA

  • 17 mai 2023

Ny 8,4% ny olona tratry ny tsimok’aretina VIH SIDA teto Madagasikara no nifindra tamin’ny alalan’ny fitsindromana zava-mahadomelina, ilaina ny fifampiresahan’ny sehatra rehetra amin’ny hitadiavana paik’ady hiadiana amin’ny fiparitahan’ny aretina hoy Dr Edmond RAZANAJATOVO Filohan’ny fikambanana AINGA AIDES androany, nandritry ny atrik’asa nokarakarain’izy ireo tetsy amin’ny Espace Dera Tsiadana.

Nirongatra ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika toy ny héroïne tato ho ato. Raha ny tatitra teo anivon’ny polisim-pirenena dia nahatratra  132 isan’ireo  ankizy nosamborin’izy ireo  noho ny fidorohana zava-mahadomeilina ny volana aprily lasa teo.

Loza mitatao ho an’ny tanora ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina tahaka izao ,eo ny fiakinan-doha, ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana , ireo aretina maro samy hafa toy ny VIH sida. Miteraka olana ara ekonomika goavana ihany koa ny fiakinandoha aminy, Eo ny saran’ny fitsaboana azy ireo, eo koa ny saran’ny zava mahadomelina izay lafo ka mitarika hatrany amin’ny fangalarana ho an’ireo tanora.

Fotoana hanamafisana ny ady hatao amin’ny fiparitahan’izany izao mba ho fiarovana ireo tanora Malagasy. Hisian’ny vahaolana maharitra amin”ny ady hatao amin’ity zava mahadomelina ity dia nikarakara atrik’asa  niarahana tamin’ny teo anivon’ny fitandrona ny filaminana , ny fitsarana, ny mpandraharahan’ny fonja ary ireo mpiasan’ny fahasalamana ny fikambanana AINGA AIDES . Nentina niadiana hevitra sy hamolavolana paik’ady miaraka hiadiana amin’ity fiparitahan”ny  zava-mahadomelina ity.

Partagez :
Mahandry