Fiovaovan’ny toetr’andro sy ny loza voajanahary : vahaolana amin’ny tondra-drano

  • 10 juillet 2023

Nisy ny dinik’asa niarahana tamin’ireo manam-pahaizana hitadiavana vahaolana manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny loza voajanahary

Tonga ao Toamasina ireo teratany vahiny manam-pahaizana manokana momban’ny GRC “Gestion des risques et des catastrophes” avy amin’ny Banky iraisam-pirenena sy ny avy ao amin’ny Géosystèms Antananarivo. Ankoatran’i Mananjary dia i Toamasina no nosafidin’izy ireo, hijery ny anisan’ny olana eto amintsika rehefa tonga ny tondra-drano sy ny rivodoza, hanome vahaolana an’ireo toerana tena lasibatry izany.

Marihina fa voasokajy ho marefo amin’ny fiantraikan’ny fandalovan’ny loza voajanahary sy ny fiakaran’ny rano rehefa fotoanan’ny orana eto Madagasikara i Toamasina, ka “tombony ho  an’ny tanàna ny fandalovan’ireo, amin’ny fitadiavana vahaolana maharitra sy famatsiam-bola hanatsaràna ireo fotodrafitrasa goavana hialàna amin’ny dibodrano eny amin’ireo faritra iva ” hoy ny Ben’ny tanàna Rakotonirina Nantenaina

Partagez :
Carinah Mamilalaina