Filoha Rajoelina Andry : “ny 16 desambra izao no hatao ny fianianana”

  • 1 décembre 2023

Ny 16 desambra izao no hatao ny fianianana. Io no fanambarana nataon’ny filoha Rajoelina Andry teny amin’ny CCI Ivato androany ary  hisy filoham-pirenena avy any ivelany hanatrika izany.

Ankoatra izay dia “hisy fanovana ny fomba fiasantsika manomboka izao. Tsy maintsy hojerena ny rafitra rehetra, hatramin’ny ”base de données”. Tsy hitazam-potsiny fa tsy maintsy mandray andraikitra amin’ny fanorenana. Hidina ifotony hijery ny fandehanan’ny asa. Tsy maintsy ataontsika ny hampandroso ity firenena ity”, hoy izy.

Hatomboka sahady ny fizarana hazavana isan-tokantrano manomboka amin’ny herinandro. Hozaraina jiro avokoa ny 50% ny vahoaka tsy mampiasa jiro ao anatin’ny enim-bolana. Tsy maintsy atao koa ny fanofanana ny fanomezana asa ho an’ny tsy an’asa ao anatin’ny volana vitsy. Hatao haingana koa ny ”industrialisation” ahafahana manodina ny vokatra misy eto amintsika.

Hotsongaina koa ireo tena sahirana ka omena asa ao anatin’ny telo volana voalohany. Homena tany ary hampamokarina ireo zavatra ilain’i Madagasikara. Hanova fomba fiasa, tsy maintsy mifampitsinjo ary tsy maintsy homena ny andraikitra tandrify azy ny tsirairay amin’ny sehatra misy azy, hoy hatrany izy nanamafy.

”Tsy maintsy ho tanterahana ny zavatra nolazaina tamin’ny fampielezan-kevitra. Tsy misy ambony noho ny fifidianana ny amin’ny demokrasia, dia ny fanehoan’ny vahoaka ny heviny. Ny safidin’ny malagasy no nahatonga ny tenako ho eto.”, hoy ny filoha, Rajoelina Andry. Hataontsika mangirana, mamiratra ary tsy maintsy miavaka ny fampandrosoana ny firenentsika. ”Tsy hanadino ny vahoaka malagasy aho, tsy hanadino anareo tsirairay”, hoy hatrany izy.

Partagez :
Mahandry