Filatsahan-kofidina ho filoham-pirenena : ny 23 aogositra hatramin’ny 06 septambra 2023 ny fanaterana antontan-taratasy.

  • 12 juillet 2023
Ny alarobia 23 aogositra amin’ny 09 ora maraina hatramin’ny alarobia 06 septambra amin’ny 06 ora hariva no hisokatra ny fahafahana mametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina ho filoham-pirenena. Eo anivon’ny mpiraki-draharahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no ametrahana izany, araka ny didim-panjakana mikasika ny fomba fikarakarana ny fifidianana noraisina nandritra ny filan-kevitry ny Governemanta ny talata 11 jolay 2023.
Ny sabotsy 09 septambra 2023 farafahatarany no mamaritra sy mamoaka ny lisitra tena izy sy ofisialin’ny kandida ny HCC, ary mampahafantatra izany lisitra izany avy hatrany ho an’ny CENI, miaraka amin’ny sary famantarana (specimen) ny kandida tsirairay avy.
Ny talata 10 oktobra 2023 amin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ny alarobia 08 novambra 2023 amin’ny 00 ora no hatao ny fampielezan-kevitra amin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena.
Ny talata 05 desambra 2023 amin’ny 06 ora maraina ka hatramin’ny talata 19 desambra 2023 amin’ny 00 ora no hatao ny fampielezan-kevitra amin’ny fihodinana faharoa raha tsy maintsy hisy izany.
Bileta tokana no hampiasaina amin’ny fifidianana filoham-pirenena eto Madagasikara. Mifanaraka amin’ny filaharan’ny kandida araka ny voafaritry ny fisarihana no laharan’izy ireo ao anatin’izany bileta tokana izany.
Partagez :
Romuald