Fikambanana Albinos Madagasikara : miha maro isa ireo mpikambana

  • 3 juillet 2023

Ny 2 jolay  lasa teo no nandraisana ireo fikambanana Albinos Madagascar avy any faritra SAVA, DIANA ary BOENY izay notronon’ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fiofanana arak’Asa,  Vavitsara Rahantanirina Gabriella  no sady Minisitra mpiahy ny Faritra Avatra sy ny Filoha lefitrin’ny Antenimierampinerena ao Antsiranana, Rahelihanta Jocelyne; raha avy nankalaza ny andro iraisam-pirenena ho fampahafantrana ny olona manana toe-tena varira ny faha 29 sy 30 jona lasa teo izay notanterahina tao Farafangana tao amin’ny  “ Centre SEMAFA “ .

Raha tsiahivina moa dia nisy ny ezaka fizarana “crème scolaire “nandritra izany fankalazanna izany, teo koa ny fitsidiana ireo ivon-toeram-pampianarana izay tarihan’ny olona manana fahasembanana ary ny fanentanana mikasika ny fampiatiana. Ankehitriny, efa maherin’ny 150 ireo mpikambana ao amin’ny AAM manerana an’i Madagasikara ary ho kasaina ho hatao any Antsiranana indray  ny fankalazana amin’ny taona ho avy io.

Marihina moa fa ny fikambanana dia naneho fisaorana sy fankasitrahina feno ho an-dRamatoa ministra sy Ramatoa VPAN tamin’ny fanohanana sy fanomezana tosika ny fikambanana tamin’izay  rehetra  hetsika  nataony.

Partagez :
Mahandry