Fihaonan’ny filoha Andry Rajoelina sy ny mpiara – miombon’antoka : ivon’ny lahadinika ny « Basket Fund »

  • 27 juin 2023

Noresahana nandritra ny fivoriana niarahan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina tamin’ny mpiara-miombon’antoka teknina sy ara-bola an’i Madagasikara androany 27 jona teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny fametrahana ny ny fanohanan’ireo mpiara-miombon’antoka ny fanantanterahana ny fifidianana”Basket Fund”  amin’ity taona 2023 ity.

Ankoatra izay , nojerena manokana koa ny momba ny sehatra rehetra niara-niasa tamin’izy ireo sy ny fanatsarana ary ny fanamafisana indray ny fiarahamiasa.

Nivoitra tamin’izany koa fa nanao ezaka lehibe ny governemanta malagasy tao anatin’ny 4 taona mahery.  « Manamarika izany ny famitana fotodrafitrasa maro manerana ny Nosy toy ny  efitrano fianarana maherin’ny 4000 , ireo oniversite miisa 15, ireo CSB2 miisa 104, ireo hopitaly manara-penitra miisa 28 ka ny 13 amin’izy ireo no efa ho am-perinasa tsy ho ela.

Eo  koa ny fananganana ireo Lapan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany sy ireo “Bases Opérationnelles” ho fametrahana ny fandriampahalemana maharitra » hoy ny Filoha. Nanamafy ny fanohanana ireo tetikasa ho fampandrosana an’i Madagasikara ireo mpiara-miombon’antoka ary hanohana hatrany ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana.

Partagez :
Mahandry