Fifidianana: nametraka ny lamina sy miantso ny hisian’ny fitoniana ny OMC-NAT

- 15 septembre 2023
Fifidianana no lalana tokana hizorana hananan’i Madagasikara filoham-pirenena amin’ny volana janoary 2024 izay faran’ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika. Fifidianana milamina no hatao, hoy ny praiminisitra Ntsay Christian izay nitarika ny fivoriana voalohan’ny OMC-NAT androany.
Nojerena nandritra ny fivorian’ny fivoriana ny hanamafisana ny filaminana sy fandriam-pahalemana eny anivon’ny fiarahamonina, hisorohana ny ambana sy izay mety ho endrika fanararaotana rehetra.
Nanao antso avo ho an’ny vahoaka malagasy ny OMC-NAT, hisian’ny fitoniana ao anatin’ny vaninandro toy izao. Tsy fotoana fambolena korontana na hampisaraham-bazana ny Malagasy izao, hoy ny hafatry ny Praiminisitra ho an’ny mpanao politika.
Mazava ny tetiandro napetraka, izay niarahan’ny fitondram-panjakana sy ireo rantsa-mangaika miandraikitra ny zotram-pifidianana ka adidin’ny olom-pirenena sy ny tomponandraikitra rehetra no manaraka izany, araka ny maha tany tan-dalàna ny firenentsika.
Natao tao amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany 14 septambra 2023 ny fivoriana voalohan’ny “Organe Mixte de Conception – National” (OMC-NAT). Nodinihina tamin’izany ny fandaminana sy ny fepetra ho raisina mandritra izao vanim-potoan’ny fifidianana izao.
Carinah Mamilalaina