Fifidianana Filoham-pirenena : mbola tsy misy fitarainana voarain’ny HCC

  • 22 novembre 2023

« Mbola tsy naharay fitoriana mahakasika ny fifidianana natao ny 16 novambra lasa teo ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana (HCC) hatramin’izao ».  Io no nambaran’ny Sekretera Jeneralin’ny Fitsarana Avo momba ny lalam-panorenana, Ranesa Firiana. Afaka manao izany daholo ny kandida rehetra, ny mpanara-maso ny fifidianana izay eken’ny CENI, ary ireo olom-pirenena rehetra izay nandray anjara tamin’ny fifidianana araka ny voakazan’ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka ao amin’ny andininy 202.

Partagez :
Natacha Hasimbola