Fifidianana biraon’ny holafitry ny mpanao gazety : navitrika ny pmifidy indrindra ny tany amin’ny faritra

  • 16 octobre 2021
 Nisokatra ara-potoana avokoa ireo biraom-pifidianana manerana ny nosy tamin’ity androany ity. Navitrika ireo mpanao gazety ho an’ny tapany maraina nilahatra teny anivon’ny birao fandatsaham-bato.
Ho an’ny faritra Vatovavy ohatra dia mpifidy iray sisa no andrasana raha toa ka efa tonga nanatanteraka ny adidiny io maraina io avokoa ireo mpanao gazety voasoratra anarana anaty lisitra ao an-toerana.
Ny ao Fitovinany dia mpifidy telo sisa no andrasana mialoha ny hikatonan’ny biraom-pifidianana raha roa kosa sisa andrasana ao amin’ny faritra Androy.
Ho an’ny faritra Analamanga dia voahaja ny ora fisokafan’ny biraom-pifidianana etsy Antanimena. Mitandahatra ireo mpanao gazety tonga mifidy raha ny hita teny an-toerana.
Mizotra am-pilaminana amin’ny ankapobeny ny fifidianana ny biraon’ny holafitry ny mpanao gazety manerana ny nosy raha ny fampitam-baovaon’ireo mpanao gazetin’ny Dépêche informative Taratra any amin’ny faritra toy ny any Ihorombe, Melaky, Alaotra Mangoro, Vakinankaratra, Bongolava, Sofia, SAVA sy ny maro hafa.
Amin’ny 4 ora tolakandro no mikatona ny biraom-pifidianana. 1 509 ireo mpifidy manerana ny nosy voasoratra ao anaty lisitra navoakan’ny komity itambarana mikarakara ny fifidianana ny 1 septambra lasa teo. Mpanao gazety miisa 2 amin’ireo kosa no fantatra fa namoy ny ainy.
Partagez :
Mahandry