FIFANINTSANANA MONDIAL 2022 Barea (Madagascar) sy ny Ecureuils (Benin): Maimaimpoana ny fidirana ao amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina.

  • 25 août 2021

Hatao ny 28 hatramin’ny 31 Aogositra ho avy izao ny fizarana tapakila maimaimpoana ho an’ireo maniry hanatrika ny lanonana ofisialy hitokanana ny Kianjan’ny Barea sy hijerena ny lalao hifandonan’i Madagasikara amin’i Bénin.

Tsy maintsy mitondra karapanondrom-pirenena avokoa ireo rehetra maka ny tapakila. Ary tsy maintsy entina miaraka maka ny tapakila fidirana ireo latsaky ny 18 taona. Ho lazaina miandalana ny toerana hizarana ny tapakila, saingy tsara ho fantatra fa “tsy eny amin’ny fokontany intsony ny fakana izany” raha ny nambaran’ny Talen’ny Kabinetra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, Ranoromaro Lova Hasinirina.

Amin’ny 3 ora tolakandro no hanomboka ny lanonana fanokanana ny kianja raha amin’ny 7ora hariva kosa ny lalao hihaonan’ny Barea sy ny Écureuils. Hisy ny afomanga, mpanakanto maro ihany koa no hanafana ny fotoana. Isan’izany I Jaojoby, Tence Mena, Black Nadia sy ny maro hafa. Azo atao ny mitondra sakafo mandritra ny fotoana. Misy toeram-pisakafoana lehibe ihany koa ao an-toerana. Tsy tokony hisy intsony kosa ny mpivarotra mandehandeha ao anaty kianja.

Hiasa mandritry ny alina ireo koperativa mpitatitra rehetra eto Antananarivo renivohitra, ny andron’ny 2 septambra 2021. Natao izany fandaminana izany ho fitsinjovana ny mpijery amin’ny fodiana ao aorianan’ny lalao.

Partagez :
Mahandry