Fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny ministeran’ny Fampianarana teknika sy Fanofanana arak’asa sy  ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara.

  • 6 mars 2024

Nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa mikasika ny famahana ny olana amin’ny tsy fifanojoan’ny fanofanana sy ny asa  ny  minisitry ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa, Lalatiana Rakotondrazafy sy ny filohan’ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM), Tiana Rasamimanana omaly talata 05 marsa 2024. Rehefa avy nifandinika tamin’ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara mikasika ny filan’ny orinasa malagasy araka izany ny minisitera, dia namolavola fandaharam-piofanana ho an’ny tanora, mifanaraka amin’izay filana izay. Tanjona ny hampihena ny tahan’ny tsy fananana asa sy ny tahan’ny fahantrana.

Voalaza tao anatin’ ny fifanarahana ny hoe milaza ny filany olona hiasa ny orinasa (ny fahaiza-manao tekinika takiany) ; mamolavola fiofanana ho an’ny tanora te hiasa ny minisitera, ka rehefa vita ny fiofanana dia mba raisin’ny orinasa miasa avy hatrany izy ireo satria afaka mamaly izay tadiavin’ny orinasa izay amin’ny fahaiza-manao ho azony amin’ny fiofanana. Manampy amin’ny fampitaovana sy ny mpampiofana koa raha ilaina, ny orinasa mpikambana, hapetraka mazava ny fahafahana mianatra asa (stage) any anatin’ireo orinasa, ary hapetraka ny fahafahan’ny mpianatra manao ny antsoina hoe « formation en alternance » izany hoe sady mianatra no afaka miasa avy hatrany koa.

Hikarakara ny fampiofanana noho izany ny minisitera, amin’ny alalan’ny INPF, ampifanarahina amin’izay filan’ny tsenan’ny asa izany ho an’ny ezaka anatin’ny fotoana fohy raha toa ka hiroso amin’ny fanitsiana ny fandaharam-pianarana any amin’ny fampianarana tekinika sy fanofanana araka asa isika mba hifanaraka amin’ny fivoaran’ny toetrandro sy ny teknolojia, izay efa an-dalam-pamolavolana tanteraka ny minisitera ankehitriny.

“ Mila manohana ny sehatra tsy miankina ny fanjakana satria izy ireny no mamokatra ka mampiodina ny toekarena” hoy ny nambaran’i Lalatiana Rakotondrazafy. Mila fanovana hatrany ifotony  mihitsy araka izany ny asa sy ezaka fampandrosoana an’i Madagasikara hifanaraka amin’ny vinan’ny filohan’ny Repoblika.

Partagez :
Mahandry