Fifamoivoizana: Hiverina manomboka anio ny lalam-pirenena faha-7 ao Mahazengy

  • 6 janvier 2024

Vinavinaina hiverina amin’ny laoniny manomboka anio sabotsy ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena faha-7 raha tapaka nanomboka ny alakamisy 04 janoary lasa teo. Nambaran’ny teo anivon’ny minisiteran’ny Asa Vaventy fa efa nanomboka ny alakamisy 4 janoary ny asa fametrahana tetezam-by vonjimaika na « pont modulaire » eny amin’ny lalam-pirenena fahafito RN7, teboka halavirandalana PK 416+300 Fokontany Mahazengy, Kaominina Fianarantsoa Renivohitra.

Ny fihotsahan’ny tany teo amin’ity lalana ity no nitarika ny fahatapahana, vokatry ny orana netin’ilay rivodoza Alvaro ny talata lasa teo. Taorian’izay dia efa nisy ny fandraisana andraikitra nataon’ny fiadidiana ny faritra Matsiatra Ambony, ka nisy ny familian-dalana natao. Afaka nandeha ireo fiara efa niandry teo. Tapaka indray ny lalana ny 4 janoary noho ny fametrahana ilay tetezam-by ary izao hiverina hisokatra izao.

Partagez :
Hasina Rakotoarilina