FIER MADA 2023 : manomboka anio 2 Aogositra

  • 2 août 2023

Manomboka anio 2 Aogositra ary hifarana ny Alahady 6 Aogositra ho avy izao ny Tsenaben’ny tantsaha andiany faha-24 na FIER MADA 2023.

Dimy andro hampiratiana ireo vokatra isan-karazany vita Malagasy izay tanterahina eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka.

Mpandray anjara avy amin’ny sehatra isankarazany, tantsaha, mpandraharaha ary tetikasa, no tonga mandray anjara amin’ny FIER MADA.

Trano eva maro no hita eny an-toerana, ahitana ireo mpandraraha malagasy, ireo vokatra mahakasika ny fambolena sy ny fiompiana toy ny masomboly, zanakazo fihinamboa ary vokatra voahodina maro ihany koa.

Partagez :
Mahandry