Fiarovanana ny tontolo iainana: miverina ny fahatokisan’izao tontolo izao an’i Madagasikara

  • 13 septembre 2021

Voaporofo nandritra  ny dian’ny delegasionina malagasy niatrika fivoriana sy kongresy maromaro tany ivelany, toy ny Kongresy ho an’ny Natiora tany Marseille ny 3  hatramin’ny 11 septambra teo fa miverina ny fahatokisan’izao tontolo izao antsika Malagasy aminn’y fitantanana ny fiarovana ny tontolo iainana, hoy ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy Baomihavotse Vahinala Raharinirina. Fiaraha-miasa maromaro koa no misokatra ho an’i Madagasikara vokatry ny dian’ny delegasionina tany ivelany.

Manaiky ny ezaka efa ataon’i Madagasikara izao tontolo izao amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.  Anisan’izany ny dingana atao  amin’ny fanodinana fako plastika, ny fambolen-kazo sy ny fiarovana ny ala sisa tavela. Ankoatra  izany  ny fahafahan’ny mpitantana miady amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny tombon-tsoan’ny mponina manodidina ny toerana arovana. Maro ny mpampiasa vola misokatra ho an’i Madagasikara; saingy mila hamafisina anefa ny ezaka amin’ny ady amin’ny kolikoly sy fangaraharana amin’ny fitantanana. Mila apetraka ny fahamarinan-toerana ahafahan’ny mpampiasa vola manana antoka sy fahatokisa ka miditra eto Madagasikara.

Fihaonana 4 samihafa  no natrehin’ny delegasionina Malagasy tany ivelany, izay samy nahazoana tombony avokoa.

Volahany tamin’izany ny tao amin’ny “Muse des Confluences” tao Lyon Frantsa. Sady nahafahana nanao fampirantiana momba ny “Makay” faritra  arovana vaovao natsangan’ny fitondrana malagasy, izay efa notantanana fikambanana frantsay iray antsoina hoe “Nature Evolution France” ; ary nesorin’ny ministera noho ny tsy fahombiazana; nampahafantarana an’izao tonolo izao ny antsoina hoe “Makay” faritra arovana vaovao, toerana ahitana harena voajanahary maro, ahitana hoso-doko tranainy indrindra (efa  tany hoa any amin’ny  taonjato faha 7) sy  mbola ahitana rohin-javaboary maro. Fiaraha-miasa maromaro koa no azo tao amin’io mozea io; eo ny fampivelarana ny fampahafantarana ny harenan’i Madagasikara amin’ny resaka faritra arovana; hanampy antsika amin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana izy ireo; ary manana fitaovana sy modely azontsika entina eto Madagasikara koa.

Le Makay est le principal pourvoyeur d’eau de la plaine de Morondava au Nord-Ouest et de la région du Nord Mangoky à l’Est.

Fihaonana faharoa ny “Conférence ministérielle international sur la  pollution plastique marine », nandraisan’ny minisitry ny tontolo iainana rehetra  maneran-tany anjara, nitadiavana vaha olana iadiana amin’ny plastika. Efa manomboka mamono zava-manana aina an-dranomasina, toy ny « trozona » eto Madagasikara ny fiparitahan’ny plasitika. Niray feo tamina firenena maro hametrahana fifanarahana iraisam-pirenena manery ny firenena tsirairay hampitsahatra ny fampiasana plastika ampiasaina indray mandeha “plastique à usage unique” i Madagasikara.

Anisan’ny  nahazoana fiaraha-miasa koa ny  fihaonana tamin’ny Foibe fikarohana misehatra  amin’ny tontolo iainana tao Frantsa, dia ny IRD (Institut de Recherche pour le Développement) sy ny MNSN. Hanampy amin’ny lafiny siantifika amin’ny fitantanana ny  faritra  arovana Makay  izy ireo, iarahan’ny MEDD, MESUPRES, IRD, MNSN, ametrahana ny fikarohana vaovao anarenana ny  lesoka amin’ny fitantanana ny faritra  arovana Makay. Misy koa ny fahazoana famatsiam-bola amin’ny fametrahana ny faritra arovana Makay, ka  ny Fonds pour l’Environnement Mondial no hamatsy izany. Anisan’ny lehibe koa ny hametrahana « zaha voary avo lenta » Ecotourisme haut de game », izany hoe mihena ny fandotoana, mihena ny  isan’ny mpitsidika fa  vonona handoa vola be izy  ireo.

Namarana azy ny fandraisana anjara  tamin’ny Kongresin’ny Natiora ho an’ny firenena mivondrona amin’ny UICN ( International Union for Conservation of Nature ) natao tao Marseille ny 3 hatramin’ny 11 septambra. Anisan’ny zava-dehibe nivoitra  ny  fahitana fa  efa mandeha lavitra  isika Malagasy amin’ny fampiarahana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. Mila famatsiana anefa izany; tsy vitan’ny ministera  irery, tsy vitan’i Madagasikara irery.

Partagez :
Mahandry