Fiarovana ny harena voajanahary : tra-tehaka ireo mpanondrana sokatra amin’ny tambajotran-tserasera

  • 27 juin 2023

Tra-tehaky ny polisim-pirenena ao amin’ny “service cybercriminalité” ireo olona telo mpamatsy ary mpivarotra sokatra amin’ny tambajotran-tserasera. Sokatra miisa 9 no tratra niaraka tamin’izy ireo ny faran’ny herinandro lasa teo araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy.

Ankoatr’izay, teratany Israelianina iray koa no saron’ny fadintseranana tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato niaraka tamin’ny zana-tsokatra miisa 59 ny herinandro lasa teo. Zana-tsokatra izay saika haondrana any ivelany.

Efa niakatra famoanoavana ity farany ary nampidirina am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy araka ny fampitam-baovao hatrany. Efa natolotra ny fitsarana avokoa izy ireo ary tsy maintsy hizaka ny sazy mifandraika amin’ny fandikan-dalàna nataony.

Partagez :
Mahandry