Fiarandalamby an-tanandehibe: manadihady ny toerana hametrahana ny famokarana angovo azo havaozina ny Jirama.

  • 27 juillet 2023
Efa azo ampiasaina ny 5 amin’ny fiantsonana 8 holalovana amin’ny fitaterana an-dalamby eto Antananarivo Renivohitra (train urbain). Fiantsonana lehibe (Stations) ny 4 amin’izany. Fiantsonana madinika (Sous stations) kosa ny 4 ambiny. Mahatratra 12 Km ny halaviran’ny lalamby miainga eo Soarano hatreny Amoronakona.
Mandeha amin’ny solika gazoaly ny fiaran-dalamby amin’ny fiandohany. Havadika ho angovo azo havaozina manontolo kosa izany aoriana.
Miroso amin’ny fanadihadiana ny toerana hananganana ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny Jirama ankehitriny. Eo amin’ny 5MW eo ny tanjaky ny herinaratra rehetra ilaina araka ny fanadihadiana.
Efa misy kosa ny tetikasa hamatsiana herinaratra ireo fiantsonana amin’ny alalan’ny tambajotran’ny Jirama sy avy amin’ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Eo am-panangonana fitaovana ilaina amin’ny famatsiana herinatra ny orinasa Jirama.
Efa tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny faran’ny volana may 2023 teo ny fiaran-dalamby hampiasaina. Vinavinaina horaisina amin’ny fomba ofisialy amin’ny volana aogositra izao ny TU.
Partagez :
Sissie Raveloson