Toamasina : niravona ny disadisa teo amin’ny zanak’Androy

  • 10 octobre 2022

Niravona ny disadisa ara-piarahamonina teo amin’ny zanak’Androy ao Toamasina. Nidina tany Toamasina ny faran’ny herinandro teo ny filoha nasionalin’ny Fikambanan’ny zanaky ny faritanin’i Toliara (FIZAFATO), handravona izany. Fotoana koa nametrahana ny biraon’ity fikambanana ity any an-toerana.

Nandritra ny fanolorana ireo mpikambana amin’ny birao tao Toamasina no nanambaran’ny filoha nasionaly fa ilaina ny fametrahana ny « fandriam-pahalemana », ny « firaisan-kina » ary ny « fahaizana miara-monina » amin’ireo foko hafa eto an-toerana.

Nandritra izany dia naneho ny fankasitrahana ny asam-pampandrosoana apetraky ny fanjakana amin’ny fanarenana ny faritra Atsimo ny zanaky ny faritra. Tsapa, hoy izy ireo, ny finiavana asehon’ny mpitondra ankehitriny hitondra fampandrosoana marina amin’iny tapany atsimo iny. Isan’ny nasongadina manokana ny fijerena vahaolana ho azy ireo nandritra ny fikaonan-doha ho an’ny faritra Atsimo ho enti-mampandroso tamin’ny jona 2021.

« Sambany no nisy fitondram-panjakana nanome lanja ireo manam-pahaizana avy any amin’ny faritra ary nanome toerana betsaka eo amin’ny toerana mpanapa-kevitra toy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta amin’izao fotoana ». Isan’ny manome lanja goavana sy ampinga entina mampandroso izany.

Partagez :
Mahandry