Fiaraha-miasa : nitsidika ny filohan’ny Antenimierandoholona ny ambasadaoron’i Suisse

  • 22 septembre 2021

Nitsidika ara-pomba fifanajana ny fIlohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, tao amin’ny lapa Maitso Anosikely, ny Ambasadaoron’ny Firenena Suisse miasa sy monina eto Madagasikara, Chasper Sarott, androany alarobia 22 Septambra.

Niompana tanteraka tamin’ny fanamafisana ny fananganana ny « Groupe d’Amitié » eo amin’ny Antenimieran’ny firenena roa tonta mba hisian’ny fiaraha-miasa matotra sy maharitra, sy ny lafiny tontolo iainana ny lahadinika.

Nambaran’ny filohan’ny Antenimierandoholona fa hohamafisina lalindalina kokoa ny fiaraha-miasan’ny Antenimieran’ny Firenena roa tonta manomboka izao. Mbola hisy ihany moa ny fihaonana mivantana amin’ireo Parlemantera Suisse araka ny nambaran’ity filohan’ny Andrimpanjakana ity.

Anisan’ny nisongadina nandritra ny fihaonana ihany koa,  ny lafiny fikajiana ny tontolo iainana   izay hita fa manan-danja tokoa   ho an’ny  Firenena Suisse.

Ity fitsidihana androany ity dia fitsidihana faharoa notanterahin’ny Ambasadaoron’ny Firenena Suisse teto amin’ny Lapan’Antenimierandoholona, hatramin’ny nahalany ho filohan’ity Andrimpanjakana ity an-dRazafimahefa  Herimanana.

 

Partagez :
Mahandry