Fiara mifono vy nanaraka ny filoham-pirenena niharan-doza : 10 naratra, ankizy ny ankamaroany

  • 17 octobre 2021
Niharan-doza ny fiara mifono vy nanaraka ny filoham-pirenena io hariva io teny Ambatobe. Olona 10 no naratra: miaramila avy tamin’ilay fiara ny 4, sivily ny 6 izay ankizy no maro an’isa. Anisan’ny naratra mafy tamin’izany ny ankizy iray 13 taona, izay tsy maintsy nampandalovina scanner.
Ankizy saika hiampita tampoka nanoloana ity fiara ity nahatonga ny mpamily nanitsaka hisatra ka niteraka ny loza. Nivadika ambony ambany teo amin’ny lalana ilay fiara.
Tsy voadonan’ny fiara ireo sivily ireo, araka ny fanazavana, fa voadonan’ireo miaramila, nitsambikina avy ambonin’ny fiara.
Nandritra ny fitsidihana nataon’ny iraka avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika, izay notarihin”ny talen’ny kabinetra, tao amin’ny HOMI, Hopitaly nitsaboana azy ireo no nahalalana fa tsy misy ny aina nafoy.
Efa nahazo fitsaboana sahaza azy avy ireo niharam-boina. Ary efa nalefa nody ny iray.
Partagez :
Mahandry