Fianinan’ny filoha ny 16 desambra: filoham-panjakana maro avy any ivelany no ho avy hanatrika

  • 14 décembre 2023
 Filoham-panjakana avy any ivelany, miaraka amina delegasionina maro, no ho avy hanatrika ny fianianan’ny filoham-pirenena malagasy ny sabotsy 16 desambra 2023 izao, eny Mahamasina.  »Manamarika ny fahavononany hiara-hiasa amintsika no ahatongavan’ireo filoham-pirenena vahiny maro ireo”, hoy ny filoha Andry Rajoelina androany. Anisany ho avy eto ny filohan’i Comores, Angola, Zimbabwe, Maurice, hatrany Eropa sy Etazonia… Eo koa ny avy amin’ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana.
 Anisan’ny fiaraha-miasa efa voaresaka tamin’ireo firenena ireo, hoy ny filoha, ny hanampiana ny fametrahana toby famokarana herinaratra avy amin’ny tohodrano eto Madagasikara sy ny fanohizana ny fanamboaran-dalana, ary ny fanomezana lanja manokana ny fambolena.
Nihaona tamin’ny filoham-panjakana mpisolo toerana androany 14 desambra teny Iavoloha, ny filoha Andry Rajoelina, izay lany tamin’ny fifidianana farany teo. Nambarany nandritra izany fa ao anatin’ny filaminana no hanaovana ny lanonana amin’ny sabotsy, hampisehoantsika fa mahay mandray vahiny ny Malagasy.  »Betsaka ny vahiny matoky sy manohana an’i Madagasikara », hoy izy.
 Nisaotra ny filoha mpisolo toerana, ny jeneraly Ravalomanana Richard, koa izy, tamin’ny fandraisana andraikitra tao anatin’ny fahitsiana sy fahamendrehana na tao anatin’ny vanim-potoana sarotra aza. Nohamafisiny kosa, fa  »tsy mila korontana intsony isika, ary ao anatin’ny filaminana no hampandrosoana ny firenena ». Etsy an-kilany, nankasitraka ny filoha Andry Rajoelina koa ny filoha mpisolo toerana.  »Efa be no vitanao ho an’ny Tandrindrazana, fa mino sy matoky fa mbola hahavita be noho ny teo aloha ianao », hoy izy.
Partagez :
Romuald