Fiadiana ny amboaran’ny CAF : hanainga ho any Zambia anio ny CFFA

  • 15 septembre 2021

Hanainga anio tolakandro hiazo ny tany zambianina ireo delegasiona ny « Centre de Formation de Football Andoharanofotsy » hiatrika ny lalao miverina  amin’ny lalao savaranonandon’ny fiadiana ny amboaran’ny CAF (Confédération Africaine de Football). Ity klioba ity no hany solotenan’ny malagasy amin’izany fifaninanana izany.

Ireto mpilalao izay tantanan’ny filohan’ny ligin’ny baolina kitra Analamanga Titi Rasoanaivo ireto dia hifanandrina amin’ny Kabwe Warriors zambianina ny alahady faha 19 septambra izao. Nisy ny fandraisan’ny minisitry ny Fanatanjahan-tena sy ny Tanora Momad’Ali Hawel azy ireo omaly talata 14 septambra teny Ambohijatovo. Nanome ny tapakilan’ny fiaramanidina ho an’ireo delegasiona mandrafitra ny CFFA ny fitondram-panjakana ary mandray an-tanana ny ampahany amin’ny fivahinianan’izy ireo any Lusaka, Zambie.

Nitso-drano azy ireo ny minisitra hitondra vokatra tsara, hitondra avo ny baolina kitra, mba hiverenan’ny ambompom-pirenena satria soa toavina amin’ny maha malagasy antsika izany ary nanolotra vatsin-dalana izy ho entin’ny delegasiona miatrika izany lalao izany. “Araka ny nambaran’ny filoham-pirenena hatrany dia amin’ny alalan’ny fanatanjahan-tena no hamelomanay ny ambopom-pirenena. Tsy ho teny fotsiny izany, fa manatanteraka ny fanjakana amin’ny alalan’ny fanohanana”, hoy ny minisitra Hawel Mamod’Ali.

Nilaza ireo mpilalao fa vonona haka ny tapakila hiakarana amin’ny dingana manaraka hoy i Tôta Filohan’ ny CFFA izay nisaotra ny Filoham-pirenena sy ny minisitra ary nampanantena ny hitondra fandresena.

Handalo an’i Addis-Abeba izy ireo ary avy eo hiazo an’i Lusaka. Manana roa andro araka izany ireto mpilalao ireto hanaovana ny fanomanan-tena.

Partagez :
Mahandry