Sport

Fiadiana ny amboaran’i Afrika isan-tarika: efa any Afrika Atsimo ny Elgeco Plus

Nigadona tany Afrika Atsimo tamin’ny iray ora maraina teo ny delegasionina avy amin’ny klioba Elgeco Plus izay ahitana mpilalao sy tomponandraikitra miisa 29. Hiatrika ny lalao miverina hihaonana amin’ny Marumo Gallants Fc, fihodinana faharoan’ny fifanintsanana ho an’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika isan-tarika izy ireo.

Ny alarobia 12 oktobra no niainga teto an-tanindrazana i Nina sy ny mpiara-dia aminy. Vantany vao tonga tao Johannesburg izy ireo dia nandray ny fiara nihazo an’i Polokwane, toerana hanaovana ny lalao ny sabotsy 15 oktobra izao, izay 300km miala ny renivohitr’i Afrika Atsimo.

Raha ny lalànan’ny CAF dia amin’ny alalan’ny fiaramanidina no andehanan’ny delegasionina. Nambaran`ny Filohan’ny klioba M.Gallants izay tonga nitsena ny delegasionina malagasy teny amin’ny seranam-piaramanidina fa sarotra ny fakana izany. Nandray fanampahan-kevitra avy hatrany izy ireo, ary nisafidy ny nandeha fiarakodia. Ao amin’ny Ranch Resort Hotel i Raux Auguste sy ny ekipany no mipetraka. Anio hariva no hiatrika fanazaran-tena voalohany amin’ny kianja ao amin’ny trano hipetrahany ireto mpilalao avy eny By-Pass ireto.

Niondrika tamin’ny isa 3 noho 1 nanoloana ny ekipan’ny Marumo Gallants Fc an’i Afrika Atsimo ireto tompon’ny amboaran’i Madagasikara ireto ny alahady lasa teo, tetsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina, nandritra ny lalao mandroso. Nilaza anefa izy ireo fa mbola vonona hitady fandresena. Ny hamadika ny vokatra any an-tanin’olona no tanjona. Tsy isan’ireo mpilalao nandeha i Mamisoa sy Tiavina na i Benteke noho ny fahazoany karatra mavo roa ny alahady 9 oktobra teo.

Kihon-dalana farany ho an’ny Elgeco Plus araka izany, ity lalao ity. Raha misy ny faharesena dia tapitra hatreo indray ny lalany. Raha mahazo fandresena kosa dia hiatrika ny barazy ny volana novambra izao.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer