FFIZALAOTRA: Hankalaza ny faha 45 taona nijoroany

  • 27 juin 2023

 

Hankalaza ny faha 45 taona nijoroany ny zanak’Alaotra amin’ny taona ho avy.

Anisan’ny antom-pisian’ny fikambana “FIZALAOTRA” ny resaka sosialy. Mivondrona ho iray izy rehetra na avy eto Antananarivo, na ny avy any amin’ny faritra ho fifanampiana ary koa ho fampandrosoana ny faritra.

Tafiditra ao anatin’ny sata mifehy ny fikambanana rahateo ny fifampitsinjovan’ny samy  mpikambana.

Tapitra ny fotoam-piasan’ny biraon’ny Fizalaotra teo aloha. Nontontosaina ny herinandro lasa teo ny fifaamindram-pitantanana teo amin’ny filoha teo aloha sy ny filoha vaovao. Hiezaka hanoy ny asa efa natomboka ny birao vaovao. Hanatsara ny fomba fiasa izy ireo hananan’nyFIZALAOTRA ainga vaovao indray. Manao  antso avo ny zanak’Aaotra rehetra hiditra mpikambana ny filoha vaovao Andriamahaly Zaka.

Partagez :
Sissie Raveloson