Fetin’ny Mimosa Ambatolampy: manome laza ny Faritra sy maneho ny tanjany ara-toekarena

  • 29 août 2021

Noho ny valan’aretina Covid-19 dia nihantona ny ankamaroan’ny hetsika ara-kolontsaina sy ara toe-karena manerana ny faritra maro teto Madagasikara. Azo lazaina fa efa voafehy izany ankehitriny ary efa miandrandra ny fisokafan’ny sisin-tany rahateo ireo mpisehatra. Isan’ireo niverina an-tsehatra ary tsy latsa-danja amin’ireo hetsika maro samihafa ny “fetin’ny Mimosa” any Ambatolampy izay nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly.

“Zava-dehibe ny hetsika tahaka izao satria manome laza ny Faritra no sady afaka hanehoana ihany koa ny tanjaka ara-toekarena” hoy ny Governora Faritra Vakinakaratra, Vyvato Rakotovao. Nisy ny fanehoana amin’ny alalan’ny tranoheva ireo vokatra mampiavaka ny distrika rehetra ao anatin’ny Faritra. Mpikambana ao amin’ny Governemanta maro ihany koa no tonga nanotrona ny fanokafana omaly, isan’izany ny Minisitra “coach” miandraikitra ny faritra Vakinankaratra Lalatiana Andriatongarivo

Partagez :
Mahandry