Fetim-pirenena : hisokatra amin’ny fomba ofisialy anio

  • 2 juin 2023
Hosokafana amin’ny fomba ofisialy anio zoma 2 jona 2023 ny fankalazana ny fetim-pirenena malagasy, araka ny fampahafantarana nataon’ny Komitim-pirenena misahana ny fanomanana ny fetim-pirenena. Eo ambany fitarihan’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina sy ny vadiny ny lanonana. Etsy anoloan’ny Lapan’ny tanàna Analakely no hanamarihana izany.
Manomboka amin’ity zoma ity, araka izany, ny fananganan-tsaina isan-tokantrano, eny amin’ny tsena sy amin’ny tranom-panjakana manerana ny Nosy.
Lohahevitra amin’ity tsingerin-taona faha 63 nahazoana ny fahaleovan-tena ity ny hoe « Malagasy miray hina, Madagasikara mandroso ».
Partagez :
Romuald