Festival Sar’nao 12 : ny fiovan’ny toetrandro sy ny voka-dratsy aterany no hasongadina

  • 11 novembre 2021

Miompana amin’ny fanentanana ny olona hiaro ny tontolo iainana ny hevitry ny sary haranty mandritra ny ”Festival Sar’nao” andiany faha 12.

Miresaka ny fiovan’ny toetrandro sy ny voka-dratsy aterany, amin’ny alalan’ny sary ny hetsika amin’ny ankapobeny, araka ny lohahevitra nampitondraina azy. Mifampitohy indrindra amin’ny lohahevitra mikasika ny Covid-19 tamin’ny andiany faha 11 izany, noho ny fiatraikan’ny fahasimban’ny tontolo iainana eo amin’ny fahasalamana, raha ny nambaran’i Ramanahadray Fidy, mpaka sary sady mpikarakara. Mpaka sary 10 no mandray anjara amin’ity Sar’nao 2021 ity.

Haharitra enimbolana ny fampirantiana amin’ity andiany ity, raha iray volana ihany izany teo aloha. Ho any amin’ny faritra ihany koa ny hetsika, ary anisan’ny hidinana voalohany ny any Atsimo, hampirantiana ireo sary milaza ny tsy fahampian-tsakafo vokatry ny hain-tany.

Azon’ny rehetra tsidihina ny fampirantiana etsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely, hatramin’ny 22 novambra.

Partagez :
Mahandry