« Festival Dona-Be »: Hisantatra izany ny any amin’ny faritra Sofia

  • 20 juin 2023

Hotanterahina manomboka ny zoma 21 hatramin’ny alahady 23 jolay eny amin’ny kianja “Travaux” Antsohihy ny “Festival Dona-Be”. Hetsika andiany voalohany hafanain’ireo mpanakanto maro avy amin’ny faritra SOFIA toa an’i Ceasar,Wendy Cathalina, Fandrama, Mirasoa, Vilon’Androy sy ireo mpanakanto maro samihafa .

Santatra ambavarano ity hetsika ara-kolotoraly ity ary hitohy hatrany manerana an’i Madagasikara hoy ny mpanakanto Dadi Love nandritra ny fanentanana nataony teny amin’ny Campus Telma Andraharo, androany 20 jona 2023.

Araka ny fanazavan’i Dadi Love dia “mifampitraotro na mifamonjy sy mifankahafantatra no atao hoe: “Dona-Be” any amin’iny faritra SOFIA iny. Hahazo tombony ny vahoakan’ny faritra SOFIA amin’ity andiany voalohany ity ary nanamafy ny tomponandraikitra fa ny ampahan’ny vola azo dia hanaganana foto-drafitrasa sy hanaovana asa soa any amin’ny faritra.

Ankoatra ny hetsika ara-koltoraly, hisy ny “carnaval” izay hamakivaky ny tanàna mandritra io telo andro io, hisy ny “bal populaire” izay tarihin’i Grand maitre Tianjama sy Dadi Love.

Partagez :
Njaka Randria