Faritra Atsimo Atsinanana : hikatona mandritra ny 1 volana ny fanjonoana

  • 11 octobre 2021

Voarara manomboka ny 15 oktobra hatramin’ny 15 novambra 2021 ny fanjonoana amin’ny ranomasin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Miato koa, mandritra io fe-potoana io, ny lahasa rehetra mifandraika amin’ny fanangonana trondro an-dranomamy, ankoatra ny vokatra avy amin’ny fiompiana an-dranomasina (aquacultures).

Mbola azo atao kosa ny manangona sy mivarotra vokatra azo avy amin’ny fiompiana trondro an-dranomamy, raha misy fanambarana mazava natao tamin’ny sampan-draharaham-paritry ny Jono, mba hahafantarana sy hahafahana manara-maso ny fiavian’ny vokatra.

Tsy maintsy manao fanambarana ny tahiry ananany, ao amin’ny sampan-draharaham-paritry ny Jono ny mpandraharaharaha rehetra, mpanangom-bokatra, mpivarotra, mpitatitra, tompona trano fisakafoana, mpanodina sy mpitahiry, aorian’ny fivoahan’ity didim-pitondrana ity mandra-pahatonga ny daty anombohan’ny fikatonana.

Partagez :
Mahandry