Faritra Anosy – Doro ala tao Manatantely : olona iray no efa voasambotra

  • 11 octobre 2022

Olona iray  tamin’ireo tomponantoka nandoro ny ala tao Manatantely, faritra Anosy, no efa voasambotra. Mbola karohina ny namany, raha ny vaovao avy amin’ny tomponandraikitra any an-toerana. Vokatry ny fiaraha-mientana sy ny fiasan’ny ”Cellule de crise” no nahatrarana ity olona ity.Ny alahady 9 oktobra teo no nitrangan’ny afo tany an-toerana, ary ny alin’ny alahady no nitsangananan’ity ”cellule de crise” ity.

Ankoratra izay, mitohy ny fanadihadiana sy ny fokarohana ireo olona rehetra nandrehitra afo tamin’ireo faritra arovana maro eto Madagasikara. Misy fiaraha-miasa amin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny isaky ny faritra. Efa misy koa ny komity miaro amin’ny fandorona ala isaky ny distrika sy ny faritra rehetra manerana ny nosy.

”Mbola mila, ary tokony hampiana sy hetsehina mafy ny rafitra efa napetraka isaky ny faritra. Miainga eny ifotony, hatreny amin’ny fokontany sy ny isam-batan’olona ny ady amin’ny doro ala sy ny doro tanety. Tokony tsy hiraviravy tanana ny fokonolona. Ary tokony efa vonona hatrany ireo karazam-pitaovana entina hamonoana afo, mba hahafahana mandray andraikitra avy hatrany”, hoy ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy, Vina Marie-Orléa.

Nambarany koa fa ”nidina ny velaran-tany’ may tamin’ity taona ity raha oharina tamin’ny tany aloha, ary ny antontanisa avoakan’ny minisitera ihany no marina”.

(Sary Fanehoana)

Partagez :
Mahandry