Fanotofana tany : fiarabe 5 no tratran’ny APIPA

  • 11 janvier 2024

Kamiao 5 no tra-tehaka nitatitra tany tao Ifarihy Ankaraobato noentina nakany Alasora  ny 10 jona raha ny vaovao voaray avy amin’ny Autorité de la Protection contre les Inondations de la Plaine d’Antananarivo (APIPA). Vokatry ny fiarahamiasa tamin’ny ben’ny Tanana izay vao avy nanatanteraka fivoriana fifandaminam-piaraha-miasa niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana ny 9 janoary teo izany raha ny fanazavana.

Tamin’izany no nizarana fa mbola mitohy sy mipetraka ny didi hitsivolana izay navoaka’ny Filankevitry ny minisitra ny amin’ny mbola tsy fahafahana manototra tany eto amin’ny lemak’Antananarivo sy ny manodidina. Nampidirina « fourrière » ao amin’ny kaomisarian’i Tanjombato ireo fiara ireo. Mitotaly 17 ny kamiao tratra ary roa ireo « engins » mpanototra tany tratra tao anatin’ny iray volana.

« Fanalana tany  no nisy tao amin’ny kaominina Ankaraobato raha fanotofana tany  no nisy  tany amin’ny kaominina Alasora » hoy ny Ben’ny tananan’Ankaraobato,  Ramamenosoa Herinjato androany 11 janoary. Nisy ” terrassement ” ana tany nataon’ny tompony tao Ifarihy ary natatitra izany tany izany teny Alasora izy ireo. Efa teny an-toerana niara-nanao fizahana ny zava-misy ny Police de l’Aménagement ny kaominina Ankaraobato sy ny avy amin’ny APIPA.

Sary : APIPA, Kaominina Ankaraobato

Partagez :
Mahandry