Social

Fanorenana trano 3D : nampahafantarina androany ny tetikasa

Nampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy androany ny tetik’asa « Impresssion 3D par le robot COBOD BOD 2 » tao amin’ny Ecole de Management et de l’Innovation Technologie(EMIT) Fianarantsoa.

Ahitana teknika fanorenana trano ao anatin’ny fotoana fohy, manaraka ny teknolojia moderina sy ny haitao ara-kajy mirindra. Tetik’asa izay novolavolain’ny EMIT ary niarahana niasa tamin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny minisiteran’ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola, ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Sekreteram-panjakana misahana ny Tanana vaovao sy ny Toeram-ponenana ary ny Faritra Matsiatra Ambony sy ny Oniversiten’i Fianarantsoa.

Tanjona ny hahafahan’ireo tompon’andraikitra mitantana ny tanana mampihatra ny tetik’asa amin’ny fanorenana ao anatin’ny fotoana fohy kanefa manaraka ny fenitra amin’ny alalan’ny teknolojia moderina anatin’ny toerana iadidiany avy. Isan’ireo teknika hojeren’ireo injeniera sy teknisiana amin’ny tao-trano eo anivon’ny SENVH akaiky noho izany ny fahafahana mampiasa ity teknika ity amin’ireo tetikasa fanorenana trano fonenana manerana ny Nosy. Tao anatin’izany dia nisy ny fakana singa tamin’ireo akora nampiasaina mba hamaritana ny toetra sy kalitaon’ny fangaro ary indrindra hampifanarahana izany amin’ireo akora misy eto Madagasikara.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer