Fanorenana : mila mitodika amin’ny fitrandrahana akora vaovao

  • 1 octobre 2022
Mila akora vaovao sady mafy no manara-penitra ny fanorenana foto-drafitrasa. Io no avoitra mandritra ny hetsika fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny toeram-ponenana izay hatao est amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ny alatsininy hoavy izao.
« Tsinjovina ary tsy misy hadinoina ny rehetra amin’ny fahazoana trano fonenana sy ny fanmpandrosoana ny tanan-dehibe » no lohahevitra iraisam-pirenena entina mankalaza izany amin’ity taona ity.
Hita amin’izany ny vokam-pikarohana sy ny tolotra misy mahakasika ny fanorenana. Andraisan’ny mpianatra, mpikaroka avy amin’ny oniversite sy ny orinasa misehatra amin’ny trano fonenana. Ny tanjona dia ny hanan’ny rehetra trano fonenana amin’ny vidiny mirary nefa mafy orina. Hambara amin’ny fomba ofisialy amin’io fotoana io ihany koa ny fifaninana trano fonenana izay iarahana amin’ny mpahay tao trano ka manasongadina ny tao-trano malagasy.
Amin’ireo trano heva maro izay manao ny fampiratiana dia hisy ihany koa ny toerana handraisana ireo liana amin’ny fahazoana trano mora.
Partagez :
Mahandry