Fanorenana miaro ny tontolo iainana: mila miala amin’ny biriky tanimanga isika

  • 3 octobre 2022

90% ny trano ety an-tanàn-dehibe dia vita amin’ny biriky tanimanga, izay miteraka fahasimban’ny tontolo iainana. Eo ihany koa ny fiakaram-bidy eo amin’ny akora entina manorina, noho ny fandalovan’ny valan’aretina sy ny ady any Ukraine.

Izany indrindra no antony fankalazana ny andro maneran-tany hoan’ny toeram-ponena, hanome lanja kokoa ny fikarohana sy ny famokarana akora entina mampihena ny vidin’ny tao trano sy ny fanafarana entana fanorenana avy any ivelany, ary koa miaro ny tontolo iainana, hoy ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanana Vaovao sy ny toeram-ponenana eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika, Gerard Andriamanohisoa, nandritry ny fanokafana ny fankalazana androany 03 oktobra, tetsy Mahamasina

Miisa 1 920 ny trano fonenana efa naorina hatramin’izao, ka ny 950 amin’ireo dia trano nentim-paharazana naorina any amoron-tsiraka, izay tafiditra ao anatin’ny rafitra nasionaly fanorenana trano nentim-paharazana 5 000 isa, mahatanty rivo-doza sy ny fiovaovan’ny toetrandro, ary manaraka ny teknikam-panorenana.

Maro ny olona tsy manana fahafahana mizaka ny “crédit immobilier”. Ho fanampiana azy ireo dia hamokatra tahirin-tany maro, hanaovana tsitokotokon-tany (lotisment) voajary misy rano, jiro, hopitaly, fianarana ny fanjakana , ka malalaka tanteraka ny olona hanorina izay trano tiany. Hatao manerana an’I Madagasikara izany, raha ny nambarany

Mitohy ihany koa ny fandraisana an-tanana ireo nisoratra anarana hisitraka ny toeram-ponenana. Maherin’ny 20.000 no nisoratra anarana hoan’ny toeram-ponenana Ivato , mihoatra ny 2000 no nisoratra anarana ho an’ny toeram-ponenana Imeritsiatosika, ary 3000 no nisoratra ho an’i Toamasina, araka ny tatitra hatrany. Ankoatra izay, hamoaka ny didim-pitondrana ny fanjakana, mba hiarovana ireo olona izay nandoa vola. fomba mahomby sy hisian’ny fifampatokisana eo amin’ireo mpanao tao trano sy ny olona mpisitraka izany, hoy hatrany ny fanazavana.

Partagez :
Mahandry