Fanomezana sora-pahaterahana faobe : tolo-kevitry ny iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ny RGPH3

  • 26 août 2022

Tolo-kevitra voaray tamin’ny alalan’ny fanisana ankapobeny ny mponina sy ny toeram-ponenana andiany fahatelo (RGPH 3) natao ny taona 2018 no nahatonga ny Fitondram-panjakana nanapa-kevitra ny hiroso amin’ny fanomezana kopian’ny sora-pahaterahana sy kara-panondrom-pirenena amin’ny alalan’ny Fitsarana mitety vohitra, hoy ny fanazavana nentin’ny mpitondra tenin’ny governemanta, ny minisitra Lalatiana Andriatongarivo.

Voalazan’ny RGPH3 fa manodidina ny 3 000 000 ny Malagasy feno 18 taona noho mihoatra nefa mbola tsy manana na singana taratasy iray aza manamarika ny maha olom-pirenena azy. Mba hahafahana manome zo feno azy ireo amin’ny maha olom-pirenen azy no nandraisan’ny Filan-kevitry ny minisitra ny io fanapahan-kevitra io, ny alarobia 24 aogositra, hoy ny minisitra.

Mifanojo amin’ny vanim-potoana hanavaozana atanteraka ny lisi-pifidianana izany; ka tokony ho tafiditra anaty lisitra avokoa izay mahazo ny karapanondorm-pirenena. Marihina fa tsy maintsy misy mpitsara mpamoaka didy mitarika ireny fanomezana sora-pahaterahana faobe ireny vao afaka manome ny kopia sy ny kara-panondro ny mpiandriakitra ny sora-piankohonana avy amin’ny kaominina sy ny distrika tsirairay.

Eo koa ny mpitsabo sy ny ekipa maro samihafa, mifarimbona amin’ny fanamarinana ny tomban’ny taonan’ny olom-pirenena ilana iznay.

Partagez :
Mahandry