Fanomezana Kopia ho an’ny ankizy : laharam-pahamehana ho an’ny kaominina Toamasina

  • 29 juin 2023

Tsy hisy intsony ny zaza tsy manana kopia ao Toamasina ary hisokatra tsy ho ela ny laboratoara fikirakirana sora-piankohonana sy ny famantarana ny maha olona.

Miroso hatrany amin’ny andrana mikasika ny fanomezana laharam-panondroana tokana ny tomponandraikitry ny fikarakarana soram-piankohonana sy ny famantarana ny maha olona ao Toamasina amin’izao. Miatrika atrik’asa hateloana ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny nanomboka ny 28 jona. 2 andro mialohan’ny hanokanana ny « laboratoara ». Tanjona ny hisitrahan’ny tsirairay ny zony dia ny fananana kopia na « Acte de naissance »  izany.

Hitondra fiovana lehibe ny fampiasana an’ity rindram-baiko ity raha ny fanazavana. Vao teraka ny zaza dia ahazo  laharana fanondroana avy hatrany. Mandefa ny mombamomba ilay zaza any amin’ny kaominina manambara ny fahaterahan’ny zaza ny hopitaly. Aorian’ny fanamarinana atao dia soniavina ny  fanamaram-piterahana. Misy ny hafatra fohy (SMS) alefa any amin’izay nanao fanambarana fahaterahana. Maka izany eny anivon’ny kaominina izy aorian’izay amin’ny fotoana maha-mety azy.

Tsy mandany fotoana araka izany ny fanambaram-piterahana. Minitra vitsy dia voasoratra ny zaza. Hiena ny fitarainana, afaka manome fahafahampo ny tsirairay ny kaominina manomboka eto.

Zava-dehibe ho an’ny kaominina izao hoy ny Ben’ny Tananan’i Toamasina. « Tamin’ny taona 1800 ny arisiva farany ananan’ny kaominina. Mametra ny fahefan’ny kaominina tamin’ny fikarakarana sorampiankohonana io. 9 000  isan-taona anefa  ny zaza teraka. Mandiso ny kajikajy amin’ny drafitra ara-tsosialy sy ara-toekarena ny mety fahadisoan’ny soram-mpiankohonana sy ny famantarana ny mahaolona » raha ny nambarany.

 

 

Tafiditra anatin’ny tetikasa PRODIGI izao fanovana goavana izao ary vatsin’ny Banky iraisam-pirenena vola. Mitentina antam-pitrisany maro ny fanampiana. Anisan’ny nanosika tamin’ny fisitrahan’i Toamasina ity tetikasa ity ny ady sisika nataon’i Ben’ny Tanana, Rakotonirina Nantenaina nanomboka tamin’ny taona 2020.

Partagez :
Carinah Mamilalaina