Fanolanana: efa betsaka ireo sahy mampiakatra ny raharaha eo anatrehan’ny fampanoavana.

  • 11 janvier 2024

Miisa 515 ny fiakarana teo anatrehan’ny fampanoavana mikasika fanolanana ny taona 2023. Ho an’ny taona 2024 kosa dia miisa 18 ka ny 2 tamin’ireo mpanolana no tsy ampy taona. 17 taona ny iray izay nanolana ankizivavy 9 taona ary 14 ny iray izay nanolana zaza 5 taona izay efa samy nalefa eny amin’ny mpitsara ny zaza tsy ampy taona avokoa.

Ho an’ny anio 11 janoary 2024 dia lehilahy 2 izay voarohirohy ho nanolana zazavavy latsaky ny 15 taona no nentina teo anatrehan’ny fampanoavana.  24 taona ny iray amin’ireo lehilahy izay nanolana zazavavy 13 taona. Araka ny vaovao voaray teo anivon’ny mpampanoa lalàna dia hitany nirenireny teny amoron-dalana teny Antohomadinika ity zazavavy kely ity ary nentiny nody tany an-tranony ny alin’ny 8 janoary lasa teoka nanaparany ny fialan-dratsiny. Nalefa eny amin’ny  ivon-toerana Avoko Ambohidratrimo ity zazavavy ity noho izy tsy manana fianakaviana.

19 taona kosa ny iray izay voarohirohy nanolana zazavavikely 12 taona teny Saropody Tanjombato tamin’ny taona 2023. Nametraka fitoriana ny ray aman-drenin’ny zaza rehefa nitaraina izy. Raha tsiahivina fa ao anatin’ny 10 taona aorian’ny tranga dia mbola azo enjehina ny tranga heloka bevava.

Mitovy ny sazy miandry ny mpanolana sy ny nanandrana izany araka ny voalazan’ny andininy 332 ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana izay samy asa an-terovozona. Mitaky ny famonjàna ireo lehilahy ireo any amin’ny fonjaben’ny Tiafahy ny fampanoavana ary tsy handefitra amin’ny mety ho fangatahana fahafahana vonjy maika araka ny nambaran’ny tonia mpampanoa lalàna fitsarana ambaratonga voalohany,  Rakotoniaina Narindra Navalona.

Partagez :
Natacha Hasimbola