Fanolanan-jaza: “tsy andeferan’ny Fitsarana”

  • 12 janvier 2024
Asa anterovozona anaty fotoana voafetra no sazy volalazan’ny lalàna tsy maintsy ampiharina amin’ny olona voaporofo fa nanolana zaza latsaky ny 15 taona, araka ny andininy faha 332 ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana. Miandry famadihana azy ho lalàna mana-kery kosa vao mihatra ny fanapahan-kevitra nambaran’ny Filoham-pirenena, toy ny fanagadrana mandra-pahafaty sy fanindromana ny filahiana, hoy ny Tonia Mpampanoa lalàna Antananarivo, Rakotoniaina Narindra.
Ny taratasy fanamarinana avy amin’ny mpitsabo no ahafahana milaza fa nisy ny fanolanana ka simba na maratra ny mahavehivavy an’ ilay zaza. Io no entin’ny Fitsarana manenjika ny olona voarohirohy. Tsy andeferan’ny fitsarana izay rehetra tratra manolan-jaza.
Ho an’ity taona 2024 ity, miisa 18 ny raharaha fanolanana niakatra fampanoavana. Vao omaly 11 janoary 2024 no nentina teo anatrehan’ny Fampanoavana tetsy Anosy ny lehilahy 2 voarohirohy ho nanolana zazavavy latsaky ny 15 taona.
Partagez :
Natacha Hasimbola